EZEKIELA

1- IZA MOA I EZEKIELA?


– Anisan’ny Mpisorona tao amin’ny Tempoly tao Jerosalema i Ezekiela zanak’i Bozy ( 1: 3).
Ny anarana hoe Ezekiela dia midika hoe: “Dieu fortifiera” na “Hampahery Andriamanitra” izay mifanaraka amin’ny hafatra nampitondrain’ Andriamanitra azy izany(34 : 17-31).
– Nentina ho babo tany Babylona izy tamin’ny taona 597 talohan’i Jesoa Kristy niaraka tamin’ireo babo andiany faharoa nanaraka ny mpanjaka Joiakina (2 Mpan 24:10-17) izay nilefitra tamin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona ka nonina teo amoron’ny ony Kebara izy (1: 3.).
– Tamin’ny fahaefa-taona nahatongavany tany Babylona, raha 30 taona izy, no nantsoin’Andriamanitra ho Mpaminany ary nanao ny asan’ny Mpaminany tamin’ireo babo jiosy namany nandritra ny 22 taona (593-571).
– Nanambady izy fa maty tampoka “ilay tian’ny masony” (24 : 16) tamin’ny fotoana nanambaran’ Andriamanitra taminy ny faharavan’i Jerosalema sy ny Tempoly.

2- FIHETSIKA NAMPANAOVINA NY MPAMINANY


Tsy ny teny ihany no afaka hanambaran’ny Mpaminany ny hafatr’Andriamanitra fa ao koa ny “fihetsika” toy izay nataon’i Ezekiela tamin’ny fotoana nahamoana azy (3:26). Ireny fihetsika ireny dia miteny amin’ny olona rehetra eny, hatramin’ny marenina aza dia afaka handre ny hafatr’Andriamanitra.
Misy FAMINANIANA vitsisitsy ireto ny amin’ny HANJO AN’I JEROSALEMA izay nambara tamin’ny alalan’ny fihetsika nampanaovin’Andriamanitra ny Mpaminany:
• 4 : 1 – 3 : Ny sarin-tanànan’i Jerosalema nosoratana tamin’ny kapila tanimanga hanambarana ny fahirano hahazo an’ity tanàna ity.
• 4 : 4 – 8 : Ezekiela nandry ka nihorirana ankavia nandritra ny 390 andro ho fitondrana ny helok’i Isiraely ary nihorirana ankavanana nandritra ny 40 andro ho fitondrana ny helok’i Joda.
Io fihetsika io dia nilazana ny ho fahababoana any Babylona.
• 4 : 9 – 17 : Ny mofo nahandroina tamin’ny diky hilazana ny mosary hihatra.
• 5 : 1 – 4 : Ny hetivolo hafahafa hanambarana ny fandringanana tsy an-kiantra.

3- NY HEVI-BAVENTY NAMBARAN’I EZEKIELA


Ireto ny sasantsasany:
– Ny faharavan’i Jerosalema sy ny Tempoly ary ny fahababoana tany Babylona dia nanamarika ny fiainan’ny zanak’Isiraely. Nisy ny hafatra talohan’ny faharavana nambaran’ny Mpaminany dia ny amin’ny sazy ataon’Andriamanitra amin’ny vahoakany izay nihodina taminy ka tsy nibebaka ary nisy koa ny hafatra taorian’ny faharavana di ny amin’ny toky amin’ny fiverenana any amin’ny fahababoana sy ny hanarenana an’i Isiraely sy Joda ho firenena tokana ary ny hananganana indray an’i Jerosalema sy ny Tempoly.
– “Ny voninahitr’i Jehovah” dia teny miverimberina ao amin’ny boky (1 : 28; 3 : 23;…). Tsy misaraka amin’ny fahamasinan’ Andriamanitra ny voninahiny. Ny fahotan’ny olona no nahatonga ny voninahitr’i Jehovah hiala aminy (43 : 2-5;44:4). Ny voninahitr’ Andriamanitra dia tsy fananantsika fa fahasoavana ho an’izay tia sy mankato Azy.
– Ny fiantsoana an’i Ezekiela hoe: “ Ry zanak’olona” dia mba hanehoana fa mitovy amin’ny olona anirahana azy izy dia ny olona mpanota. Miverina in-90 ato amin’ny boky io fiteny io. I Jesoa Kristy dia nantsoina hoe:”Zanak’olona” araka ny ahitana izany in-70 manerana ny filazantsara efatra (Mat 8: 20;…;Mar 8:31;…;Lio 9:44;…;Jao 3:14;…). Io fiantsoana Azy io dia mba hilazana fa mitondra ny fahotan’ny zanak’olombelona Izy ho famonjena azy.
– Raha mamaky ny toko 34 : 17 – 31 sy ny toko 37 : 15 – 28 isika dia ambara ao ny hanjakan’i Davida amin’ny haha-Mpiandry Tokana azy ami’ny vahoakan’Andriamanitra; dia azo tarafina amin’izany ny fiavian’i Mesia amin’ny fotoana ho avy izay efa tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izany nefa hiharihary amin’ny fahafenoany amin’ny fiaviany indray amin’ny andro farany haneho ny fanjakany.

4- DRAFITRY NY BOKY


Misy fizarana efatra ny boky:
* FIZARANA VOALOHANY:
Toko 1 – Toko 24: Alohan’i faharavan’i Jerosalema : ny fahotan’Isiraely sy ny fitsaran’Andriamanitra.
1.1 – 3:27:Ny fiantsoana an’I Ezekiela sy ny iraka ampanaovin’Andriamanitra azy
4 – 11 : Fahitana sy faminaniana ary fanambarana milaza ny fandravana ny tananàn’I Jerosalema
12 – 24 : Ny tsy finoan’Isiraely. Ny mpaminany sandoka. Ny fitsaran’Andriamanitra (Ny famaizana mafy an’i Ohola sy Oholiba)

* FIZARANA FAHAROA:
Toko 25 – Toko 32 : Fitsarana ny firenena jentilisa mifanila amin’i Joda noho ny fampahoriana mangidy nampihariny tamin’ny vahoakan’Andriamanitra (Amonita, Maobita, Edomita, Filistina, Tyro, Sidona, Egypta).

* FIZARANA FAHATELO
Toko 33 – Toko 39: Aorian’ny faharavan’i Jerosalema: Ny hafatra fampaherezana ho an’ny vahoanka Isiraely.
33 – 37: Rava Jerosalema nefa hamonjy azy Andriamanitra. Ny fahitana momba ny taola-maina.
38 – 39 : Ny loza hanjo an’i Goga sy Magoga ary ny hanavotana an’Isiraely.

* FIZARANA FAHAEFATRA
Toko 40 – Toko 48: Ny fahitana momba ny Tempoly vaovao.
ROBERT Edouard

Laisser un commentaire